Bokin'ny Mpitsara 1:21
Ary ny taranak’ i Benjamina tsy nandroaka ny Jebosita, izay mponina any Jerosalema; fa ny Jebosita dia miara-monina amin’ ny taranak’ i Benjamina any Jerosalema ihany mandraka androany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Ary ny taranak’ i Josefa dia niakatra koa hamely an’ i Betela; ary Jehovah nomba azy.
Read all of Bokin'ny Mpitsara 1
Cross References
Joshua 18:11Dia nahazo ny loka ny firenena taranak’ i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan’ ny taranak’ i Joda sy ny taranak’ i Josefa.
Judges 1:8Ary namely an’ i Jerosalema ny taranak’ i Joda, ka nahafaka azy, dia namely azy tamin’ ny lelan-tsabatra ka nandoro ny tanàna.
Judges 19:10Fa tsy nety nijanona intsony ralehilahy tamin’ izany alina izany, fa niainga ihany izy ka nandeha, dia tonga tandrifin’ i Jebosa (Jerosalema izany); ary boriky roa samy voaisy lasely no nentiny, ary ny vaditsindranony niaraka taminy koa.
2 Samuel 5:6Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin’ ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin’ i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.
1 Chronicles 8:28Ireo no lohan’ ny fianakaviany araka ny firazanany, dia samy loholona. Ireo no nonina tany Jerosalema.
Psalms 106:34Tsy naringany ny firenena Izay nasain’ i Jehovah naringany;