Bokin'ny Mpitsara 11:26
Raha ny Isiraely nitoetra telon-jato taona tany Hesboala sy ny zana-bohiny ary tany Aroera sy ny zana-bohiny ary tany amin’ ny tanàna rehetra eny amoron’ i Arnona, nahoana no tsy nalainareo ny tany tamin’ izany andro izany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Izaho tsy nanota taminao, fa ianao no manisy ratsy ahy, fa miady amiko;
Read all of Bokin'ny Mpitsara 11
Cross References
Deuteronomy 2:24Mitsangàna, miaingà, ka mità ny lohasahan-driaka Arnona ianareo; indro, efa natolotro eo an-tananao Sihona Amorita, mpanjakan’ i Hesbona, mbamin’ ny taniny. Santaro ny handovanao azy, ka tafiho.
Deuteronomy 3:2Ary hoy Jehovah tamiko: Aza matahotra azy ianao; fa efa natolotro eo an-tananao izy mbamin’ ny vahoakany rehetra sy ny taniny, ary ianao hanao aminy araka izay nataonao tamin’ i Sihona, mpanjakan’ ny Amorita, izay nonina tao Hesbona.
Joshua 11:18Ela no niadian’ i Josoa tamin’ ireny mpanjaka rehetra ireny.
Joshua 12:5sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin’ ny fari-tanin’ ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’ i Gileada, fari-tanin’ i Sihona, mpanjakan’ i Hesbona.
Joshua 13:16Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan’ ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
Joshua 23:1Ary rehefa ela, taorian’ ny nanomezan’ i Jehovah fitsaharana ho an’ ny Isiraely ho afaka amin’ ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana,