Bokin'ny Mpitsara 15:19
Dia nampitresahin’ Andriamanitra ilay fitoerana hoboka tany Lehy, ka niboiboika teo ny rano; ary rehefa nisotro izy, dia nody ny ainy, ka velona Izy; ka izany no nanaovany ny anarany hoe En-hakore, izay any Lehy mandraka androany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Dia nitsara ny Isiraely roa-polo taona tamin’ ny andron’ ny Filistina izy.
Read all of Bokin'ny Mpitsara 15
Cross References
Genesis 16:13Ary Hagara nanao ny anaran’ i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ ny fahitana?
Genesis 30:30Fa kely ny fanananao, fony tsy mbola tonga aho, fa efa nitombo be dia be izy; ary efa nitahy anao Jehovah tamin’ ny diako rehetra; ary ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ ny ao an-tranoko?
Exodus 17:15Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.
Judges 15:9Ary niakatra ny Filistina, dia nitoby teo amin’ ny Joda ka niely tany Lehy.
Psalms 34:6Mijery Azy ireo ka miramirana, sady tsy mangaihay ny tavany.
Psalms 110:7Hisotro amin’ ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan’ ny lohany.