Bokin'ny Mpitsara 19:15
Ka dia nivily teo izy handeha handry any Gibea; ary niakatra izy ka nipetraka teo amin’ ny kianjan’ ny tanàna; fa tsy nisy olona nampiantrano azy handry tao an-tranony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 19
Cross References
Genesis 18:2dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ ny tany
Judges 19:18Dia hoy izy taminy: Avy tany Betlehema-joda izahay ka hankarỳ an-tsisin’ ny tany havoan’ i Efraima, fa any no tany nihaviako; ary nankany Betlehema-joda aho, fa mpankany an-tranon’ i Jehovah; ary tsy misy olona mampiantrano ahy;
Matthew 25:35fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
Hebrews 13:2Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.