Epistily ho an'ny Hebreo 13:2
Aza manadino ny fampiantranoam-bahiny; fa tamin’ izany dia nampiantrano anjely ny sasany, nefa tsy fantany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Be not forgetful to entertain strangers: for thereby some have entertained angels unawares.
In Context
1Aoka haharitra ny fitiavana ny rahalahy.
Read all of Epistily ho an'ny Hebreo 13
Cross References
Leviticus 19:34Ny vahiny eo aminareo dia hataonareo tahaka ny tompon-tany aminareo ihany ka ho tianao tahaka ny tenanano; fa efa mba vahiny tany amin’ ny tany Egypta ianareo: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Judges 13:15Ary hoy Manoa tamin’ Ilay Anjelin’ i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak’ osy ho Anao.
1 Kings 17:11Ary nony lasa naka ravehivavy, dia miantso azy Elia ka nanao hoe: Masìna ianao, itondray mofo kely koa eny an-tananao aho.
Job 31:19Raha tàhiny aho nahita olona efa ho faty noho ny tsi-fananan-damba. Na malahelo tsy manan-kitafy,
Isaiah 58:7Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ ny namanao ianao?
Matthew 25:40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.