Bokin'ny Mpitsara 20:27
Dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely (fa tao ny fiaran’ ny faneken’ Andriamanitra tamin’ izany andro izany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Mpitsara 20
Cross References
Numbers 27:21Ary Josoa hijanona eo anatrehan’ i Eleazara mpisorona, izay hanadina amin’ ny fitsaran’ i Orima eo anatrehan’ i Jehovah ho azy; araka ny teniny no hivoahany, ary araka ny teniny no hidirany, dia izy sy ny Zanak’ Isiraely rehetra, dia ny fiangonana rehetra.
Judges 1:1Ary rehefa maty Josoa, dia nanontany tamin’ i Jehovah ny Zanak’ Isiraely hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny Kananita ho anay?
Judges 20:23Ary niakatra ny Zanak’ Isiraely ka nitomany teo anatrehan’ i Jehovah mandra-paharivan’ ny andro, dia nanontany tamin’ i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.
1 Samuel 10:3Dia handroso hiala ao ianao ka ho tonga ao amin’ ny hazo terebinta any Tabara, dia hifanena amin’ ny olona telo lahy miakatra ho any amin’ Andriamanitra any Betela, ny anankiray mitondra zanak’ osy telo, ny anankiray mitondra mofo telo, ary ny anankiray mitondra divay iray tavoara;
Psalms 78:60Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin’ ny olona;
Jeremiah 7:12Fa mandehana ianareo any amin’ ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian’ ny Isiraely oloko.