Bokin'ny Fitomaniana 5:13
Ny zatovo nitondra ny fikosoham-bary; Ary ny ankizy madinika nivembena nitondra ny hazo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
They took the young men to grind, and the children fell under the wood.
In Context
12Nahantona tamin’ ny tànany ny lehibe; Ary ny antitra tsy mba nohajaina.
14Ny loholona tsy misy eo am-bavahady, ary ny zatovo tsy mitendry zava-maneno intsony.
Read all of Bokin'ny Fitomaniana 5
Cross References
Exodus 2:11Ary tamin’ izany andro izany, rehefa lehibe Mosesy, dia nivoaka nankany amin’ ny rahalahiny izy ka nijery ny fanompoany mafy, ary nahita lehilahy Egyptiana nanavokavoka ny anankiray tamin’ ny Hebreo rahalahiny.
Exodus 23:5Raha hitanao ny borikin’ izay mankahala anao mihonaka ao ambanin’ ny entany, dia aza malaina hamonjy azy ianao, fa manampia ny namanao hamaha azy tokoa.
Nehemiah 5:1Ary nitaraina mafy ny lehilahy sy ny vadiny ny amin’ ny Jiosy rahalahiny.
Isaiah 47:2Alao ny vato fikosoham-bary, ka kosohy ny koba; esory ny fisalobonanao, akaro ny moron-tongotr’ akanjonao; aoka hiseho ny fenao, ka miroboha mita ny ony.
Matthew 23:4Eny, mamehy entana sady mavesatra no sarotra entina izy ka manaingina izany eo amin’ ny soroky ny olona, nefa ny tenany tsy mety manetsika izany na dia amin’ ny rantsan-tànany anankiray asa.