The Bible Software
Leviticus · Baiboly Malagasy (1865)

Leviticus 12

1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:

2Mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan’ anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin’ ny fadim-bolany no hahalotoany.

3Ary amin’ ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza.

4Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin’ ny ràny izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masìna izy, na hiditra ao amin’ ny fitoerana masìna, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany.

5Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin’ ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin’ ny ràny izay mahadio azy.

6Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin’ ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak’ ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ho eo amin’ ny mpisorona ireo.

7Ary izy hanatitra izany eo anatrehan’ i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin’ ny fandehanan’ ny ràny izy. Izany no lalàna ny amin’ ny vehivavy tera-dahy na tera-bavy.

8Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak’ ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.

← Leviticus 11Read In The App, Free →Leviticus 13 →

Study Leviticus 12

KJVMatthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)Reina-Valera (Español)Bíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)

All Chapters

123456789101112131415161718192021222324252627