Bokin'ny Levitikosy 6:2
Mandidia an’ i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin’ ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin’ ny fatana eo an-tampon’ ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon’ ny alitara hirehitra eo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:
Read all of Bokin'ny Levitikosy 6
Cross References
Genesis 26:7Ary ny lehilahy tompon-tany nanontany ny amin’ ny vadiny; ary hoy kosa izy: Anabaviko izy; fa natahotra hilaza hoe: Vadiko izy, fandrao, hoy izy, hamono ahy ny lehilahy tompon-tany noho Rebeka, satria tsara tarehy izy.
Leviticus 1:3Raha omby no ateriny ho fanatitra dorana, dia lahy tsy misy kilema no hateriny; eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana no hanaterany azy, mba hankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah izy.
Leviticus 5:19dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin’ i Jehovah tokoa izy.
Numbers 5:6Lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Raha misy lehilahy na vehivavy manao izay mety ho fahotan’ ny olona ka manao izay mahadiso amin’ i Jehovah ary meloka,
Proverbs 24:28Aza mety ho vavolombelona foana hanameloka ny namanao; Moa hamitaka amin’ ny molotrao va ianao?
Isaiah 21:2Misy fahitana mampahory naseho tamiko: Ny mpamitaka mamitaka, ary ny mpandringana mandringana. Iakaro, ry Elama ô! ekeo, ry Media ô! Hatsahatro ny fisentoana rehetra.