Filazantsara araka an'i Lioka 10:28
Ary hoy Jesosy taminy: Marina ny navalinao; ataovy izany, dia ho velona ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he said unto him, Thou hast answered right: this do, and thou shalt live.
In Context
29Fa izy ta-hanamarina ny tenany ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Iza ary no namako?
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 10
Cross References
Leviticus 18:5Ary tandremo ny didiko sy ny fitsipiko; fa raha mahatandrina izany ny olona, dia ho velona amin’ izany izy: Izaho no Jehovah.
Ezekiel 20:11Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.
Ezekiel 20:21Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato.
Mark 12:34Ary raha hitan’ i Jesosy fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: Tsy lavitra ny fanjakan’ Andriamanitra ianao. Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony.
Romans 3:19Ary fantatsika fa izay zavatra lazain’ ny lalàna dia lazainy amin’ izay manana ny lalàna, mba ho voatampina avokoa ny vava rehetra, ka hiharan’ ny fitsaran’ Andriamanitra izao tontolo izao,
Galatians 3:12Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy.