Filazantsara araka an'i Lioka 13:11
Ary, indro, nisy vehivavy izay nanana fanahy mahafarofy valo ambin’ ny folo taona, ary nanjoko izy ka tsy nahatraka akory.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Ary nampianatra tao amin’ ny synagoga anankiray Jesosy tamin’ ny Sabata.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 13
Cross References
Psalms 6:2Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
Psalms 42:5Izao zavatra izao no hotsarovako, ka haidiko ato anatiko ny fanahiko, dia ny nandrosoako niaraka tamin’ ny maro, sy ny nitarihako azy ho any an-tranon’ Andriamanitra, nanao feo mihoby sy midera, dia olona maro izay nitandrina ny andro firavoravoana.
Psalms 146:8Jehovah mampahiratra ny jamba Jehovah mampitraka ny mitanondrika; Jehovah tia ny marina;
Mark 9:21Ary Jesosy nanontany an-drainy hoe: Hoatrinona izay no nahatongavan’ izao taminy? Ary hoy izy: Hatry ny fony izy mbola zaza.
Luke 8:27Ary raha niala nankeny an-tanety Jesosy, dia nifanena taminy ny lehilahy anankiray avy tao an-tanàna, izay efa nanana demonia, ary efa ela izy no tsy nitafy lamba sady tsy nitoetra tao an-trano, fa teny amin’ ny fasana.
Luke 13:16Koa ity vehivavy zanak’ i Abrahama ity, izay efa nafatotr’ i Satana izao valo ambin’ ny folo taona izao, moa tsy tokony hovahana ho afaka amin’ izany fatorana izany amin’ ny andro Sabata va?