Filazantsara araka an'i Lioka 13:25
Rehefa mitsangana ny tompon-trano ka manidy ny varavarana, ary ianareo mijanona eo ala-trano mandondòna ny varavarana ka manao hoe: Tompoko, vohay izahay, dia hamaly Izy ka hanao aminareo hoe: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 13
Cross References
Genesis 7:16Ary izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin’ ny nofo rehetra, araka izay nandidian’ Andriamanitra an’ i Noa; ary narindrin’ i Jehovah tao izy.
Isaiah 55:6Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
Matthew 25:10Fa raha mbola lasa nividy izy, dia tonga ny mpampakatra, ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana.
Luke 6:46Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe: Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko?
2 Corinthians 6:2fa hoy Izy: Tamin’ ny taona fankasitrahana no nihainoako anao, Ary tamin’ ny andro famonjena no namonjeko anao; indro, ankehitriny no andro fankasitrahana; indro, ankehitriny no andro famonjena;
Hebrews 12:17Fa fantatrareo fa rehefa afaka izany, raha ta-handova ny fitahiana izy, dia nolavina; fa tsy nahita izay hibebahana izy; na dia nitady fatratra tamin’ ny ranomaso aza.