Luke 13:4
Ary ireny valo ambin’ ny folo ireny, izay nianjeran’ ny tilikambo tao Siloama ka maty, ataonareo va fa mpanota mihoatra noho ny olona rehetra izay monina ao Jerosalema ireny?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Nehemiah 3:15Ary ny vavahadin-doharano dia namboarin’ i Saloma, zanak’ i Kola-hoze, komandin’ ny fehin’ i Mizpa; izy no nandrafitra sy nanafo izany ary nandatsaka ny lela-vavahadiny mbamin’ ny hidiny sy ny vavombiny, ary narafiny koa ny mandan’ ny farihy Siloa, teo anilan’ ny sahan’ ny mpanjaka, ka hatramin’ ny ambaratonga midìna avy any an-Tanànan’ i Davida.
Matthew 6:12Ary mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay.
Luke 7:41Nisy roa lahy nananan’ ny mpampanàna vola anankiray trosa: ny iray nananany denaria diman-jato, ary ny iray kosa dimam-polo.
John 9:7Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin’ ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.