Luke 14:13
Fa raha manao fanasana ianao, dia asao ny malahelo, ny kilemaina, ny mandringa, ny jamba;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But when thou makest a feast, call the poor, the maimed, the lame, the blind:
In Context
Cross References
Deuteronomy 16:11ary mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
Deuteronomy 26:12Rehefa voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ ny vokatrao amin’ ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao, ka ho voky izy,
2 Chronicles 30:24Fa Hezekia, mpanjakan’ ny Joda, nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy fito arivo ho an’ ny fiangonana; ary ny mpanapaka koa nanome vantotr’ ombilahy arivo sy ondry aman’ osy iray alina ho an’ ny fiangonana; ary maro ny mpisorona no nanamasina ny tenany.
Nehemiah 8:12Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an’ ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.
Job 29:15Efa maso ho an’ ny jamba aho ary tongotra ho an’ ny mandringa.
Proverbs 3:9Mankalazà an’ i Jehovah amin’ ny fanananao Sy amin’ izay voaloham-bokatrao rehetra;