Bokin'i Nehemia 8:12
Dia nandeha ny olona rehetra hihinana sy hisotro sy hanatitra anjara ho an’ ny sasany ary hifaly indrindra, satria azony tsara ny teny izay notorina taminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Nehemiah 8:7Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’ izay nitoerany ihany.
Psalms 19:8Tsy misy tsiny ny lalàn’ i Jehovah, mamelombelona ny fanahy; mahatoky ny teni-vavolombelon’ i Jehovah, mahahendry ny kely saina.
Psalms 119:16Ny didinao no hiravoravoako: Tsy hohadinoiko ny teninao.
Psalms 119:97Endrey ny fitiavako ny lalànao! Fisaintsainako mandrakariva izany.
Psalms 119:111Efa noraisiko ho lovako mandrakizay ny teni-vavolombelonao, Satria fifalian’ ny foko izany.
Psalms 119:130Mahazava ny famoahana ny hevitry ny teninao Ka manome fahalalana ho an’ ny kely saina.