Filazantsara araka an'i Lioka 17:1
Ary hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana; nefa lozan’ izay olona mahatonga izany!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 17
Cross References
Matthew 18:7Lozan’ izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! fa tsy maintsy ho avy ny fahatafintohinana, nefa lozan’ izay olona mahatonga ny fahatafintohinana.
Romans 14:20Aza izay hanina no andravanao ny asan’ Andriamanitra. Madio avokoa ny zavatra rehetra, nefa ratsy ho an’ ny olona izay mihinana amin’ ny fahatafintohinana.
1 Corinthians 8:13Koa raha ny hanina no mahatafintohina ny rahalahiko, dia tsy hihinan-kena akory aho mandrakizay, fandrao mahatafintohina ny rahalahiko.
1 Corinthians 11:19Fa tsy maintsy misy fitokoana eo aminareo, mba haseho eo aminareo izay olona ankasitrahana.
Revelation 2:14Kanefa manan-teny kely aminao Aho, fa misy eo aminao izay mitàna ny fampianaran’ i Balama, ilay nanome fo an’ i Balaka hanisy fahatafintohinana teo anoloan’ ny Zanak’ isiraely, hihinana hena naterina tamin’ ny sampy sy hijangajanga.
Revelation 13:14Ary mamitaka izay monina ambonin’ ny tany izy amin’ ny famantarana izay nomena ary hatao eo imason’ ny bibi-dia, sady milaza amin’ izay monina ambonin’ ny tany koa mba hanao sary ho an’ ny bibi-dia, izay voan’ ny sabatra, nefa velona ihany.