Filazantsara araka an'i Lioka 19:21
Fa natahotra anao aho, satria olona mila voatsiary ianao ka maka izay tsy napetrakao, ary mijinja izay tsy nafafinao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 19
Cross References
Exodus 20:19Dia hoy izy tamin’ i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay.
1 Samuel 12:20Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an’ i Jehovah; fa manompoa Azy amin’ ny fonareo rehetra.
Job 21:14Kanefa anie ireo no manao amin’ Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahalala ny lalanao.
Malachi 3:14Tamin’ ny nanaovanareo hoe: zava-poana ny manompo an’ Andriamanitra; ary inona moa no soa efa azo tamin’ ny fitandremantsika izay nasainy notandremana sy tamin’ ny nandehanantsika nitafy lamba fisaonana teo anatrehan’ i Jehovah, Tompon’ ny maro.
Romans 8:7satria fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’ Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany.
2 Timothy 1:7Fa tsy nomen’ Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena.