Boky faharoan'i Samoela 12:20
Ary hoy Samoela tamin’ ny vahoaka: Aza matahotra; efa nanao izany ratsy rehetra izany tokoa ianareo; kanefa aza mivily tsy hanaraka an’ i Jehovah; fa manompoa Azy amin’ ny fonareo rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'i Samoela 12
Cross References
Deuteronomy 10:12Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain’ i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an’ i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin’ ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
Deuteronomy 31:29Fa fantatro fa rehefa maty aho, dia hanao ratsy tokoa ianareo ka hiala amin’ ny lalana izay nasaiko nalehanareo; dia ho tratry ny loza ianareo any am-parany, satria hanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah ianareo ka hampahatezitra Azy amin’ ny asan’ ny tananareo.
1 Chronicles 28:9Ary ianao, ry Solomona zanako, aoka ho fantatrao Andriamanitry ny rainao, ka manompoa Azy amin’ ny fo rehetra sy ny fanahy mazoto; fa Jehovah, dia mpandinika ny fo rehetra, ary ny fieritreretana rehetra dia fantany avokoa. Raha mitady Azy ianao, dia hahita Azy; fa raha mahafoy Azy kosa ianao, dia hariany mandrakizay.
Psalms 101:3Tsy hampitoetra zava-dratsy eo anoloan’ ny masoko aho; Halako ny mivadika, Tsy hikambana amiko izany.
Jeremiah 3:1Fa hoy Izy: Raha misy lehilahy misao-bady, ary efa miala ravehivavy ka vadin’ olon-kafa, moa mahazo miverina aminy indray va ralehilahy? Tsy haloto tokoa va izany tany izany? Fa ianao dia efa nijangajanga tamin-tsakaiza maro, ka moa hahazo miverina amiko va ianao? hoy Jehovah.
1 Peter 3:16ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.