Filazantsara araka an'i Lioka 21:12
Ary raha tsy mbola tonga izany rehetra izany, dia hisambotra anareo izy ka hanenjika ary hanolotra anareo ao amin’ ny synagoga sy ao an-tranomaizina, ka ho entina eo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka ianareo noho ny anarako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Dia ho tonga ho vavolombelona aminareo izany.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 21
Cross References
Matthew 10:16Indro, Izaho maniraka anareo ho tahaka ny ondry ao ampovoan’ ny amboadia; koa hendre tahaka ny menarana, ary morà tahaka ny voromailala.
Matthew 23:34Ary noho izany, indro, Izaho maniraka mpaminany sy olon-kendry ary mpanora-dalàna ho atỳ aminareo; koa ny sasany hovonoinareo sy hohomboanareo amin’ ny hazo fijaliana, ary ny sasany hokapohinareo ao amin’ ny synagoganareo sy henjehinareo mitety vohitra,―
Mark 13:9Fa mitandrema ianareo, fa hatolotra amin’ ny Synedriona sy hokapohina ao amin’ ny synagoga ary hitsangana eo anatrehan’ ny mpanapaka sy ny mpanjaka noho ny amiko ianareo ho vavolombelona aminy.
John 15:20Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.
Acts 4:3Dia nisambotra azy izy ka nanao azy tao an-tranomaizina ambara-pahamarain’ ny andro; fa efa hariva ny andro tamin’ izay.
Acts 5:40Dia nanaiky azy izy; ary rehefa niantso ny Apostoly izy, dia nikapoka azy sady nandrara azy tsy hiteny amin’ ny anaran’ i Jesosy intsony, ary dia nandefa azy handeha.