Filazantsara araka an'i Lioka 21:24
Dia ho ringana amin’ ny lelan-tsabatra izy ka ho entina ho babon’ ny firenena rehetra, ary Jerosalema hohitsahin’ ny jentilisa mandra-pahatanteraky ny andron’ ny jentilisa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 21
Cross References
Deuteronomy 28:64Dia haelin’ i Jehovah any amin’ ny firerena rehetra hatramin’ ny faran’ ny tany ianao; ary any no hanompoanao andriamani-kafa vato aman-kazo, izay tsy fantatrao na ny razanao.
Isaiah 63:18Vetivety foana no nananan’ ny olonao masìna ny tany; ny fahavalonay efa nanitsaka ny fitoeranao masìna.
Isaiah 66:19Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin’ ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin’ ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin’ ny jentilisa izy.
Daniel 8:13Dia nandre ny masìna anankiray niteny aho, ary nisy masìna iray koa nanao tamin’ ilay niteny hoe: Mandra-pahoviana ny fahitana mandrakariva sy ny fahotana mahatonga fandravana mba hanolorana ny fitoerana masìna sy ireo maro be ho fanitsaka?
Daniel 12:7Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ ny lanitra ka reko nianiana tamin’ Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ ny olo-masìna, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
Romans 11:25Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo izany zava-miafina izany, ry rahalahy (fandrao mihevitra ny tenanareo ho hendry ianareo), fa efa misy fahamafiam-po manjo ny Isiraely sasany mandra-piditry ny hafenoan’ ny jentilisa;