Filazantsara araka an'i Lioka 6:2
Fa ny Fariseo sasany nanao hoe: Nahoana ianareo no manao izay tsy mety hatao amin’ ny Sabata?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 6
Cross References
Exodus 22:10dia fianianana amin’ i Jehovah no hitsarana azy roa tonta, hahafantarana na efa naninjitra ny tànany ka naka ny fananan’ ny namany ilay anankiray, na tsia; ary heken’ ny tompony izany, dia tsy hisy onitra.
Exodus 35:2Henemana no hanaovanao raharaha, fa ny andro fahafito ho masìna aminareo, dia tena andro fitsaharana ho an’ i Jehovah; izay rehetra manao raharaha amin’ izany dia hatao maty.
Isaiah 58:13Raha miaro ny tongotrao amin’ ny Sabata ianao ka tsy manao izay tianao amin’ ny androko masìna, ary manao ny Sabata hoe Fahafinaretana, ary ny nohamasinin’ i Jehovah hoe mendrika hohajaina, ka manome voninahitra azy ary tsy mandeha amin’ ny lalanao, na manao izay tianao, na miteniteny foana,
Matthew 15:2Nahoana ny mpianatrao no mandika ny fampianarana voatolotry ny razana? Fa tsy mba manasa tanana izy, raha hihinan-kanina.
Mark 2:24Ary ny Fariseo nanao taminy hoe: Indro, nahoana ireo no manao izay tsy mety amin’ ny Sabata?
Luke 6:7Ary ny mpanora-dalàna sy ny Fariseo nizaha taratra Azy, na hahasitrana amin’ ny Sabata Izy, na tsia, mba hahitany izay hiampangana Azy.