Filazantsara araka an'i Lioka 8:47
Ary rehefa hitan-dravehivavy fa tsy takona Azy izy, dia nangovitra izy ka nankeo aminy sady niankohoka teo anatrehany, dia nanambara teo anatrehan’ ny vahoaka rehetra izay anton’ ny nanendreny Azy sy izay nahasitranany niaraka tamin’ izay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
46Fa hoy Jesosy: Nisy olona nanendry Ahy; fa fantatro fa nisy hery nivoaka avy tamiko.
48Ary hoy Jesosy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao; mandehana soa aman-tsara.
Read all of Filazantsara araka an'i Lioka 8
Cross References
1 Samuel 16:4Ary Samoela nanao izay nolazain’ i Jehovah, dia tonga tao Betlehema. Ary nitsena azy amin-kovitra ny loholona teo an-tanàna ka nanao hoe: Fihavanana va no ihavianao?
Psalms 38:9Marikoditra aho sady torovana indrindra; midradradradra aho noho ny fitolokon’ ny foko.
Isaiah 66:2Fa izao zavatra izao no nataon’ ny tanako. Ka dia ary izao rehetra izao, hoy Jehovah; Nefa izao no olona hotsinjoviko, Dia izay malahelo sy torotoro fanahy Sady mangovitra noho ny teniko.
Hosea 13:1Raha niteny Efraima, dia nampangorohoro, ka nisandratra tao amin’ ny Isiraely izy. Dia nanota ny amin’ i Bala izy ka maty;
Matthew 28:8Dia niala faingana tamin’ ny fasana izy ireo sady natahotra no faly indrindra, dia nihazakazaka hilaza tamin’ ny mpianatra.
Luke 17:15Ary ny anankiray tamin’ ireo, raha nahita fa sitrana izy, dia niverina ka nankalaza an’ Andriamanitra tamin’ ny feo mahery