Filazantsara araka an'i Marka 1:13
Ary tany an-efitra efa-polo andro Izy ka nalain’ i Satana fanahy; ary teo amin’ ny bibi-dia Izy, ary ny anjely nanompo Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary niaraka tamin’ izay dia nampandehanin’ ny Fanahy ho any an-efitra Izy.
14Ary rehefa voasambotra Jaona, dia nankany Galilia Jesosy nitory ny filazantsaran’ Andriamanitra
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 1
Cross References
Exodus 24:18Dia niditra tao afovoan’ ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin’ ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
Deuteronomy 9:11Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.
Deuteronomy 9:25Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain’ i Jehovah fa handringana anareo Izy.
Matthew 4:10Fa hoy Jesosy taminy: Mandehana ianao, ry Satana: fa voasoratra hoe; Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao.
1 Timothy 3:16Ary iaraha-manaiky mihitsy fa lehibe ny zava-miafina ny amin’ ny toe-panahy araka an’ Andriamanitra, dia Ilay naseho teo amin’ ny nofo, nohamarinina tao amin’ ny Fanahy; hitan’ ny anjely, notorina tany amin’ ny jentilisa, ninoana teny amin’ izao tontolo izao, nakarina tamin’ ny voninahitra.
Hebrews 4:15Fa isika tsy manana mpisoronabe izay tsy mahay miara-mitondra ny fahalementsika, fa Izay efa nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota.