Filazantsara araka an'i Marka 10:16
Ary nitrotro azy Izy, dia nametra-tanana taminy ka nitso-drano azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And he took them up in his arms, put his hands upon them, and blessed them.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 10
Cross References
Genesis 48:14Dia nahinjitr’ Isiraely ny tanany ankavanana ka napetrany tamin’ ny lohan’ i Efraima, nefa izy no zandriny, fa ny tànany ankavia kosa teo amin’ ny lohan’ i Manase; fa niniany natao toy izany ny tànany, nefa Manase no lahimatoa.
Isaiah 40:11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Luke 2:28dia nitrotro Azy izy ka nidera an’ Andriamanitra nanao hoe:
John 21:15Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’ i Simona Petera: Simona, zanak’ i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.