Mark 10:24
Ary ny mpianatra dia gaga tamin’ ny teniny. Fa Jesosy namaly indray ka nanao taminy hoe: Anaka, manao ahoana ny hasarotry ny hidiran’ ny matoky ny harena amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Psalms 17:14Vonjeo amin’ ny tananao aho, Jehovah ô, mba tsy ho azon’ ny olon’ izao tontolo izao, izay manana ny anjarany amin’ izao fiainana izao, sady fenoinao ny harenao ny kibony; Maro anaka izy, dia mamela ny fananany be ho an’ ny zanany madinika.
Psalms 52:7Andriamanitra kosa hanimba anao mandrakizay; hisambotra anao sy hanongotra anao hiala ao an-day Izy, ary hamongotra anao tsy ho eo amin’ ny tanin’ ny velona. [Sela.]
Proverbs 11:28Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso.
Proverbs 23:5Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin’ ny lanitra.
Ezekiel 28:4Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin’ ny rakitrao
Zephaniah 1:18Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah, Fa holevonin’ ny afon’ ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ ny mponina amin’ ny tany.