Filazantsara araka an'i Marka 11:18
Ary nahare izany ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna, ka dia nitady izay hamonoany Azy; saingy natahotra Azy izy, satria talanjona ny vahoaka rehetra noho ny fampianarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Ary isan-kariva dia niala tao an-tanàna Izy.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 11
Cross References
1 Kings 18:17Ary nony hitan’ i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin’ ny Isiraely!
1 Kings 22:8Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak’ i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin’ i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
Isaiah 49:7Izao no lazain’ i Jehovah, Mpanavotra ny Isiraely, dia ny Iray Masiny, Amin’ Ilay hamavoin’ ny olona sy halan’ ny firenena ka tonga mpanompon’ ny mpanapaka: Ny mpanjaka hahita ka hitsangana, ary ny mpanapaka koa, ka dia hiankohoka noho ny amin’ i Jehovah, Izay mahatoky dia ny Iray Masin’ ny Isiraely, izay efa nifidy Anao.
Matthew 21:15Fa nony hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ny zavatra mahagaga izay nataony sy ny ankizy madinika miantso eo an-kianjan’ ny tempoly ka manao hoe: Hosana ho an’ ny Zanak’ i Davida! ― dia tezitra izy
Matthew 21:45Ary rehefa ren’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo ny fanoharana nataon’ i Jesosy, dia fantany fa ny tenany no nolazainy amin’ izany.
Mark 1:22Dia talanjona ny olona tamin’ ny fampianarany, satria nampianatra azy tahaka izay manana fahefana Izy, fa tsy mba tahaka ny mpanora-dalàna.