Filazantsara araka an'i Marka 14:12
Ary tamin’ ny voalohan’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, izay famonoana ny Paska, dia hoy ny mpianany taminy: Aiza no tianao halehanay hanamboaranay mba hihinananao ny Paska?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 14
Cross References
Exodus 12:6ary hotehirizinareo izy hatramin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ity volana ity; dia hamono azy amin’ ny hariva ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra.
Exodus 12:18Amin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, nony hariva, no hihinananareo mofo tsy misy masirasira ambara-paharivan’ ny andro fahiraika amby roa-polo amin’ ny volana.
Leviticus 23:5Ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana voalohany, rehefa hariva, dia Paskan’ i Jehovah.
Deuteronomy 16:1Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao fa tamin’ ny volana Abiba no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny alina.
Matthew 26:17Ary tamin’ ny voalohan’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira dia nankeo amin’ i Jesosy ny mpianatra ka nanao hoe: Aiza no tianao hamboarinay hihinananao ny Paska?
1 Corinthians 5:7Esory ny masirasira ela, mba ho vongana vaovao ianareo, araka izay tsy maha-misy masirasira anareo. Fa voavono Kristy, Paska ho antsika;