Filazantsara araka an'i Marka 14:55
Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra nitady vavolombelona hiampanga an’ i Jesosy hamonoany Azy, nefa tsy nahita.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
56Fa maro no niampanga lainga Azy, nefa tsy nifanaraka ny fiampangany.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 14
Cross References
1 Kings 21:10Dia anangano roa lahy izay tena ratsy fanahy ho eo anatrehany hiampanga azy hoe: Efa niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka ianao. Dia ento mivoaka izy, ka torahy vato ho faty.
Psalms 27:12Aza manolotra ahy ho amin’ ny sitrapon’ ny mpampahory ahy; fa vavolombelona mandainga sy izay mifofofofo loza no mitsangana hiampanga ahy.
Daniel 6:4Izany Daniela izany dia nihoatra noho ny komandy lehibe sy ny solo-mpanjaka namany, fa nanam-panahy hendry izy; ary ny mpanjaka nikasa hanandratra azy ho lehibe amin’ ny fanjakana rehetra.
Matthew 26:59Ary ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny Synedriona rehetra nitady teny ho entiny hiampanga lainga an’ i Jesosy mba hamonoany Azy;
Acts 6:11dia nisy olona nomeny vava hanao hoe: Efa renay niteny ratsy an’ i Mosesy sy Andriamanitra ity.
1 Peter 3:16ka manàna fieritreretana tsara, mba ho menatra izay manaratsy ny fitondran-tenanareo tsara ao amin’ i Kristy, dia izay anendrikendrehana anareo.