Filazantsara araka an'i Marka 16:5
Ary raha niditra tao anatin’ ny fasana izy, dia nahita zatovo anankiray nipetraka teo amin’ ny ankavanana niakanjo akanjo fotsy, dia talanjona izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Fa nony nitraka izy, dia, indro, hitany fa efa voakodia niala ny vato; fa lehibe dia lehibe ny vato.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 16
Cross References
Daniel 8:17Ary dia nankeo amin’ ilay nitsanganako izy; ary nony tonga izy, dia raiki-tahotra aho ka nikarapoka nihohoka; nefa hoy izy tamiko: Aoka ho fantatrao, ry zanak’ olona, fa io fahitana io dia milaza ny farany.
Daniel 10:12Dia hoy izy tamiko: Aza matahotra, ry Daniela; fa hatramin’ ilay andro voalohany nampiasanao ny fonao hahalala sy hampahory ny tenanao teo anatrehan’ Andriamanitrao dia reko ny teninao, ary noho ny teninao dia avy aho.
Mark 6:49Ary rehefa hitany nitsangantsangana tambonin’ ny ranomasina Izy, dia nataony ho matoatoa, ka niantso mafy izy ireo.
Luke 1:12Ary nony nahita azy Zakaria, dia taitra loatra izy ka raiki-tahotra.
Luke 24:3Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin’ i Jesosy Tompo.
John 20:11Fa Maria nijanona nitomany teo ivelan’ ny fasana; ary raha nitomany izy, dia niondrika nitsirika ny tao am-pasana