Filazantsara araka an'i Marka 4:39
Ary nifoha Izy, dia niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ ny ranomasina hoe: Mangìna, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
40Ary hoy Izy taminy: Nahoana no saro-tahotra ianareo? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo?
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 4
Cross References
Exodus 14:22Dia nandeha teo afovoan’ ny ranomasina nandia ny tany maina ny Zanak’ Isiraely; ary ny rano dia tonga fefy ho azy teo amin’ ny ankavanany sy teo amin’ ny ankaviany.
Job 38:11Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
Psalms 65:7Mampiorina ny tendrombohitra amin’ ny heriny Izy, misikìna fahatanjahana Izy.
Psalms 93:3Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.
Psalms 107:29Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano.
Proverbs 8:29Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany,