Filazantsara araka an'i Marka 4:8
Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, ary raha naniry sy namoa, dia vokatra, fa namoa: ny sasany avy telo-polo heny, ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy zato heny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9Ary hoy Izy: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 4
Cross References
Genesis 26:12Dia namafy tamin’ izany tany izany Isaka ka nahazo zato heny tamin’ izay taona izay, satria efa notahin’ i Jehovah izy.
Jeremiah 23:29Tsy tahaka ny afo va ny teniko? hoy Jehovah, ary tsy tahaka ny kanonta manorotoro ny vatolampy va?
Matthew 13:23Fa ilay nafafy teny amin’ ny tany tsara kosa dia izay mandre ny teny ka mahalala; dia izy no mamoa ka vokatra: ny sasany avy zato heny ary ny sasany avy enim-polo heny, ary ny sasany avy telo-polo heny.
Luke 8:8Ary ny sasany dia voafafy teny amin’ ny tany tsara, dia naniry ka namoa zato heny. Ary rehefa nilaza izany Izy, dia niantso hoe: Izay manan-tsofina ho enti-mihaino, aoka izy hihaino.
John 1:12Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
John 7:17Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.