Filazantsara araka an'i Marka 5:29
Ary niaraka tamin’ izay dia ritra ny loharanon’ aretiny, ka tsaroany tao amin’ ny tenany fa sitrana izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 5
Cross References
Exodus 15:26ka hoy Izy: Raha hazoto hihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao izay mahitsy eo imasony sy hihaino ny lalàny ary hitandrina ny didiny rehetra, dia tsy hisy hataoko aminao ireny aretina rehetra ireny, izay nataoko tamin’ ny Egyptiana; fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.
Leviticus 20:18Ary raha misy lehilahy mandry amin’ ny vehivavy izay mararin’ ny fadim-bolany, dia nampisokatra ny fandehanan’ ny ràny izy, ary ravehivavy koa nanokatra ny fandehanan’ ny ràny, dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny izy roroa.
Job 33:24Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,
Psalms 103:3Izay mamela ny helokao rehetra, Izay manasitrana ny aretinao rehetra,
Psalms 147:3Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny.
Mark 5:34Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin’ ny aretinao.