Filazantsara araka an'i Marka 9:17
Ary ny anankiray tamin’ ny vahoaka namaly ka nanao hoe: Mpampianatra ô, nentiko ho etỳ aminao ny zanako-lahy, izay azom-panahy moana;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
16Ary Izy nanontany azy hoe: Inona no iadianareo hevitra amin’ ireto?
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 9
Cross References
Matthew 12:22Dia nentina tany amin’ i Jesosy ny lehilahy anankiray izay demoniaka, sady jamba no moana; dia nositraniny, ka dia niteny sy nahita ilay moana.
Mark 5:23ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona.
Mark 9:25Ary nony hitan’ i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
Luke 9:38Ary, indro, nisy lehilahy anankiray avy teo amin’ ny vahoaka nitaraina mafy hoe: Mpampianatra ô, masìna Hianao, mamindrà fo amin’ ny zanako! fa zanako-lahy tokana izy.
John 4:47Ary rehefa reny fa Jesosy efa tonga tany Galilia avy tany Jodia, dia nankany aminy izy ka nangataka Azy mba hidina sy hahasitrana ny zanany, satria efa ho faty izy.