Filazantsara araka an'i Marka 9:25
Ary nony hitan’ i Jesosy fa nihazakazaka nanatona azy ny vahoaka, dia niteny mafy ny fanahy maloto Izy ka nanao taminy hoe: Ry fanahy moana sy marenina! Izaho mandidy anao: Mivoaha aminy, ka aza miditra ao anatiny intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 9
Cross References
Isaiah 35:5Dia hampahiratina ny mason’ ny jamba, ary hampahaladina ny sofin’ ny marenina.
Matthew 9:32Ary rehefa nivoaka ireo, dia indro, nisy lehilahy moana anankiray izay demoniaka nentin’ ny olona tany amin’ i Jesosy.
Matthew 17:18Ary niteny mafy azy Jesosy, dia nivoaka taminy ny demonia, ka sitrana ilay zazalahy tamin’ izay ora izay.
Mark 5:7sady niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin’ Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy,
Luke 4:35Fa Jesosy niteny mafy azy ka nanao hoe: Mangìna ianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia, nony namotraka azy teo afovoan’ ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.
Luke 8:29Fa Izy nandidy ny fanahy maloto hivoaka tamin-dralehilahy. Fa efa nahazo azy ela izany; ary efa nafatotra tamin’ ny gadra, na ny tànany, na ny tongony, ka nambenana izy; nefa notapahiny ny fatorana, ka dia nentin’ ny demonia niriotra nankany an-efitra izy.