Filazantsara araka an'i Marka 9:50
Tsara ny sira, fa raha tonga matsatso izy, inona no ho entinareo mampody ny tsirony? Aoka hisy sira ao anatinareo, ka mihavàna tsara ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
49Fa samy ho voasira amin’ ny afo izy rehetra.
Read all of Filazantsara araka an'i Marka 9
Cross References
Job 6:6Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin’ atody?
Psalms 133:1Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Endrey, tsara sady mahafinaritra Raha ny mpirahalahy no miara-monina
Mark 9:34Fa tsy nahateny izy, satria efa niady hevitra teny an-dalana izy ny amin’ izay lehibe indrindra.
John 13:34Didy vaovao no omeko anareo, dia ny mba hifankatiavanareo; eny, aoka ho tahaka ny fitiavako anareo no mba hifankatiavanareo kosa.
Romans 12:18Raha azo atao, dia ataovy izay hihavananareo amin’ ny olona rehetra.
2 Corinthians 13:11Farany, ry rahalahy, mifalia, aoka ho tanteraka ianareo, mandraisa ny fampiononana, miraisa saina, mihavàna; ary Andriamanitry ny fitiavana sy ny fiadanana ho aminareo.