Filazantsara araka an'i Matio 13:32
fa kely noho ny voa rehetra izy, kanefa rehefa maniry, dia lehibe noho ny anana ka tonga hazo, dia avy ny voro-manidina ka mitoetra ao amin’ ny rantsany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 13
Cross References
Psalms 72:16Hahavoka-bary betsaka ny tany na dia any an-tampon’ ny tendrombohitra aza; hirondrona tahaka ny any Libanona ny fahavokarany; ary ny ao an-tanàna hidokadoka tahaka ny ahitra amin’ ny tany.
Isaiah 2:2Ary izao no ho tonga any am-parany: Ny tendrombohitra misy ny tranon’ i Jehovah dia haorina eo an-tampon’ ny tendrombohitra Ary hasandratra ho avo noho ny havoana; Ary ny jentilisa rehetra hitanjozotra hankany.
Ezekiel 31:6Teo amin’ ny sampany no nanaovan’ ny voro-manidina rehetra akany; Ary teo ambanin’ ny rantsany no niterahan’ ny bibi-dia rehetra; Sady teo amin’ ny alokalony no nitoeran’ ny firenena malaza rehetra.
Daniel 2:34Nijery ianao ambara-pahanisy vato voaendaka, nefa tsy nendahan-tanana, ary namely ilay sary teo amin’ ny tongony vy sy tanimanga iny ka nahatorotoro azy.
Daniel 4:12Nefa avelao amin’ ny tany ao amin’ ny ahitra maitso any an-tsaha ihany ny fotony, ka asio fehy vy sy varahina; ary aoka ho kotsan’ ny andon’ ny lanitra izy, ary aoka ny anjarany ho amin’ ny biby any amin’ ny ahitra amin’ ny tany;
Zechariah 4:10Fa iza no nanamavo ny andron’ ny zava-madinika? Ho faly mahita ny pilao eny an-tànan’ i Zerobabela ireo fito ireo, dia ny mason’ i Jehovah, izay mijery eny tontolo eny eran’ ny tany rehetra