Filazantsara araka an'i Matio 13:33
Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny masirasira, izay nalain’ ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ ny koba intelon’ ny famarana, mandra-pahazon’ ny masirasira azy rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 13
Cross References
2 Samuel 13:6Dia nandry Amnona ka nody marary; ary nony avy mamangy azy ny mpanjaka, dia hoy izy taminy: Trarantitra ianao, aoka Tamara anabaviko hankatỳ hanao mofo roa ho ahy eto imasoko hihinanako ny avy eny an-tànany.
Proverbs 4:18Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
Matthew 13:24Ary nanao fanoharana hafa koa taminy Izy ka nanao hoe: Ny fanjakan’ ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray izay namafy voa tsara tany an-tanimbariny;
Luke 13:21Tahaka ny masirasira izy, izay nalain’ ny vehivavy anankiray ka nataony tao amin’ ny koba intelon’ ny famarana, mandra-pahazon’ ny masirasira azy rehetra.
John 16:12Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.
Galatians 5:9Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.