Filazantsara araka an'i Matio 26:31
Ary tamin’ izany dia hoy Jesosy taminy: Hianareo rehetra dia ho tafintohina noho ny amiko anio alina; fa voasoratra hoe: Hamely ny mpiandry Aho, dia hihahaka ny ondry andrasana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
30Ary rehefa nihira fiderana izy, dia lasa nankany amin’ ny tendrombohitra Oliva.
32Fa rehefa atsangana Aho, dia hialoha anareo ho any Galilia.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 26
Cross References
Job 6:15Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
Psalms 38:11Miemponempona ny foko, lany ny heriko, ary ny fahiratan’ ny masoko aza efa nandao ahy.
Psalms 88:18Mandifotra ahy mandrakariva tahaka ny rano ireny; Miara-manodidina ahy izy.
Lamentations 1:19Nantsoiko ireo tia ahy, fa nofitahiny aho; Ny mpisoroko sy ny loholoko niala aina tao an-tanana, Tamin’ ny nitadiavany hanina hamelombelona ny ainy.
Zechariah 13:7Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin’ ny madinika Aho.
Matthew 24:9Ary dia hatolony ho amin’ ny fahoriana ianareo ka hovonoiny; ary ho halan’ ny firenena rehetra ianareo noho ny anarako.