Filazantsara araka an'i Matio 8:16
Ary nony hariva ny andro, dia nentin’ ny olona tany aminy ny demoniaka maro; ary ny teniny ihany no namoahany ny fanahy ratsy, ary izay narary rehetra dia nositraniny avokoa,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Ary nanendry ny tànany Izy, dia niala taminy ny tazo; dia nitsangana ravehivavy ka nanompo Azy.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 8
Cross References
Matthew 4:23Ary Jesosy nandeha eran’ i Galilia ka nampianatra tao amin’ ny synagogan’ ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra tamin’ ny olona.
Matthew 9:2Ary, indro, nisy lehilahy anankiray mararin’ ny paralysisa nandry tamin’ ny fandriana nentin’ ny olona teo aminy; ary Jesosy, nony nahita ny finoan’ ireo, dia nanao tamin’ ilay mararin’ ny paralysisa hoe: Matokia, anaka; voavela ny helokao.
Matthew 14:14Ary nony nivoaka Jesosy, dia nahita vahoaka betsaka, ary onena azy ka nahasitrana ny marariny.
Mark 1:32Ary nony hariva ny andro, ka nilentika ny masoandro, dia nentina tany aminy ny marary rehetra sy ny demoniaka.
Mark 5:8satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin’ ity lehilahy ity, ry fanahy maloto.
Luke 4:40Ary raha nilentika ny masoandro, ny olona rehetra izay nanana marary tamin’ ny aretina samy hafa dia nitondra azy teo aminy; ary dia nametra-tanana tamin’ izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy.