Filazantsara araka an'i Matio 9:13
Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Read all of Filazantsara araka an'i Matio 9
Cross References
Isaiah 55:6Mitadiava an’ i Jehovah, dieny mbola hita Izy, Miantsoa Azy, dieny mbola akaiky Izy.
Micah 6:6Inona no ho entiko manatona an’ i Jehovah Sy miondrika eo anatrehan’ Andriamanitra Izay any amin’ ny avo? Hanatona Azy mitondra fanatitra dorana Sy ny ombilahy kely iray taona va aho?
Matthew 3:8Koa mamoaza voa miendrika ny fibebahana ianareo;
Matthew 11:20Ary tamin’ izany dia vao niteny mafy ny tanàna izay nanaovany ny ankamaroan’ ny asany lehibe Izy, satria tsy nibebaka ireo, ka nanao hoe:
Matthew 12:5Ary tsy mbola novakinareo ao amin’ ny lalàna va fa amin’ ny Sabata ny mpisorona ao amin’ ny tempoly manota ny Sabata, nefa tsy manan-tsiny?
Matthew 18:10Mitandrema, fandrao manao tsinontsinona na dia ny iray aza amin’ ireny madinika ireny ianareo; fa lazaiko aminareo: Ny anjeliny any an-danitra mahita mandrakariva ny tavan’ ny Raiko Izay any an-danitra.