The Bible Software
bible.software › Bokin'i Nehemia › Bokin'i Nehemia 10 › Bokin'i Nehemia 10:30

Bokin'i Nehemia 10:30

dia samy nikambana tsara tamin’ ny andriandahy rahalahiny ka niozona sy nianiana hanaraka ny lalan’ Andriamanitra, izay nampilazaina an’ i Mosesy, mpanompon’ Andriamanitra, ary hitandrina sy hankatò ny didy rehetra izay nataon’ i Jehovah Tompontsika mbamin’ ny fitsipika sy ny lalàny;

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And that we would not give our daughters unto the people of the land, nor take their daughters for our sons:

In Context

29Ary ny olona sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita sy ny mpiandry varavarana sy ny mpihira sy ny Netinima, ary izay rehetra efa niavaka tamin’ ny tompon-tany hanaraka ny lalàn’ Andriamanitra mbamin’ ny vadin’ ireo sy ny zananilahy ary ny zananivavy, izay rehetra efa nahahaino,

31ary tsy hanome ny zananivavy ho vadin’ ny tompon-tany, na haka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakai-lahy;

Read all of Bokin'i Nehemia 10

Cross References

Deuteronomy 7:3ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin’ ny zanakao-lahy.

2 Kings 23:3Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’ izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.

2 Chronicles 34:31Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena izay voasoratra ao amin’ izany boky izany,

Ezra 9:12koa aza manome ny zanakareo-vavy ho vadin’ ny zananilahy, na maka ny zananivavy ho vadin’ ny zanakareo-lahy; aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy mandrakizay, mba hahery ianareo ka hihinana ny soa avy amin’ ny tany, dia hamela izany ho lovan’ ny taranakareo mandrakizay.

Nehemiah 5:12Dia hoy ireo: Eny, hampodinay izany, ka tsy haka na inona na inona aminy izahay, fa hanao araka izay lazainao. Dia niantso ny mpisorona aho ka nampianiana ireo hanao araka izany teny izany,

Psalms 119:106Efa nianiana aho fa hitandrina ny fitsipikao marina, Ka nefaiko izany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Nehemia 10:30

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Nehemia 10:29Bokin'i Nehemia 10Bokin'i Nehemia 10:31 →