Bokin'i Nehemia 11:16
ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin’ ny lohan’ ny Levita, no tonian’ ny raharaha teo ivelan’ ny tranon’ Andriamanitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Nehemia 11
Cross References
1 Chronicles 26:20Ary tamin’ ny Levita dia Ahia no tonian’ ny rakitry ny tranon’ Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.
Ezra 8:33Ary tamin’ ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan’ i Meremota, zanak’ i Oria mpisorona, tao an-tranon’ Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak’ i Finehasa; ary teo amin’ izy roa lahy koa Jozabada, zanak’ i Jesoa, sy Noadia, zanak’ i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
Nehemiah 8:7Ary Jesoa sy Bany sy Serebia sy Jamina sy Akoba sy Sabetahy sy Hodia sy Mahaseia sy Kelita sy Azaria sy Jozabada sy Hanana sy Pelaia ary ny Levita dia nampianatra ny olona ny lalàna; ary ny olona dia teo amin’ izay nitoerany ihany.