Bokin'i Nehemia 11:17
Ary Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin’ ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak’ i Samoa, zanak’ i Galala, zanak’ i Jedotona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Ny Levita rehetra tao an-tanàna masìna dia efatra amby valo-polo amby roan-jato.
Read all of Bokin'i Nehemia 11
Cross References
1 Chronicles 9:15ary Bakbakara sy Haresy sy Galala sy Matania, zanak’ i Mika, zanak’ i Zikry, zanak’ i Asafa,
1 Chronicles 16:41ary naman’ ireo koa Hemana sy Jedotona ary ny sisa amin’ ny olona voafidy izay voatonona anarana hidera an’ i Jehovah, fa mandrakizay ny famindram-pony.
1 Chronicles 25:6Ireo rehetra ireo no fehin’ ny rainy tamin’ ny hira natao tao an-tranon’ i Jehovah tamin’ ny kipantsona sy ny valiha sy ny lokanga hanaovana ny fanompoana ao an-tranon’ Andriamanitra; Asafa sy Jedotona ary Hemana dia nofezehin’ ny mpanjaka.
Nehemiah 12:8Ary ny Levita kosa dia izao: Jesoa, Binoy, Kadmiela, Serebia, Joda ary Matania, dia izy ireo sy ny rahalahiny no tonian’ ny fiderana.
Nehemiah 12:25Matania, Bakbokia, Obadia, Mesolama, Talmona sy Akoba no mpiandry varavarana ka nitandrina ny fiambenana amin’ ny trano firaketana.
Nehemiah 12:46Fa fahiny tamin’ ny andron’ i Davida sy Asafa aza dia efa nisy lohan’ ny mpihira sy hira fiderana ary fisaorana an’ Andriamanitra.