Bokin'i Nehemia 6:10
Ary izaho dia tonga tao an-tranon’ i Semaia, zanak’ i Delaia, zanak’ i Mehetabela, izay nihidy trano tao; dia hoy izy: Andeha isika hiditra ao an-tranon’ Andriamanitra ao anatin’ ny tempoly, ary aoka harindrintsika ny varavarana, fa ho avy hamono anao izy, eny, ho avy alina hamono anao izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 6:5Ary tamin’ ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin’ ny ati-trano lehibe, na amin’ ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
2 Kings 11:3Ary niery enin-taona tao aminy tao an-tranon’ i Jehovah izy. Ary Atalia no nanjaka tamin’ ny tany.
2 Chronicles 29:3Tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona voalohany nanjakany dia namoha ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah izy ka namboatra azy.
Ezra 8:16Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).
Nehemiah 6:12Ary hitako fa, indro, tsy Andriamanitra no naniraka azy, fa nilaza izany faminaniana izany hamitahany ahy izy, satria notambazan’ i Tobia sy Sanbala.
Psalms 12:2Vonjeo, Jehovah ô, fa efa lany ny tsara fanahy; eny, tsy misy mahatoky intsony eo amin’ ny zanak’ olombelona.