Bokin'i Nehemia 8:15
ary tokony hampandre ny olona sy handefa teny mitety ny tanànany rehetra sy Jerosalema ka hanao hoe: Mandehana any an-tendrombohitra, ka makà sampan’ oliva sy sampan’ oliva maniry ho azy sy sampan-drotra sy sampan-drofia ary sampan-kazo be ravina hanaovana trano rantsan-kazo araka, ny voasoratra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 8:11Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro; ary, indro, nisy ravin’ oliva maitso teo am-bavany; izany no nahafantaran’ i Noa fa efa kely ny rano tambonin’ ny tany.
Leviticus 23:40Ary amin’ ny andro voalohany dia makà voan’ ny hazo tsara tarehy, dia sampan-drofia sy rantsan’ ny hazo mikirindro ary hazomalahelo amoron’ ny renirano, ho anareo; dia mifalia hafitoana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo.
Judges 9:48Ary Abimeleka sy ny vahoaka teo aminy dia niakatra tany an-tendrombohitra Zalmona; ary Abimeleka nitondra famaky teny an-tànany, dia nikapa sampan-kazo, ka nobetainy izany, dia nolanjainy teny an-tsorony, ary hoy izy tamin’ ny vahoaka teo aminy: Izay hitanareo ataoko, dia mba manaova faingana toy izany koa ianareo.
John 12:13dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ ny Isiraely, Ilay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.