The Bible Software
bible.software › Bokin'ny Nomery › Bokin'ny Nomery 13 › Bokin'ny Nomery 13:27

Bokin'ny Nomery 13:27

Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Tonga tany amin’ ny tany izay nanirahanao anay izahay, koa tondra-dronono sy tantely tokoa izy; ary itony no vokatra avy tany.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And they told him, and said, We came unto the land whither thou sentest us, and surely it floweth with milk and honey; and this is the fruit of it.

In Context

26Dia nankeo amin’ i Mosesy sy Arona ary ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, tany an-efitra Parana izy, dia tany Kadesy, ka nitondra teny taminy sy ny fiangonana rehetra sady naneho azy ny vokatry ny tany.

28Kanefa kosa mahery ny olona izay monina eo amin’ ny tany; ary ny tanàna dia mimanda sady lehibe dia lehibe; ary koa, nahita ny teraky ny Anakita teo izahay.

Read all of Bokin'ny Nomery 13

Cross References

Exodus 3:8dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’ izany tany izany ho any amin’ izay tany soa sy malalaka, dia any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.

Exodus 13:5Ary raha hitondra anao Jehovah ho any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Hivita ary ny Jebosita, izay nianianany tamin’ ny razanao homena anao, dia tany tondra-dronono sy tantely, dia hanao izany fanompoana izany ianao amin’ izao volana izao.

Leviticus 20:24Fa efa nolazaiko taminareo hoe: Hianareo handova ny taniny, fa Izaho no hanome azy ho lovanareo, dia tany tondra-dronono sy tantely: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay nanavaka anareo tamin’ ny firenena samy hafa.

Numbers 14:8Raha sitrak’ i Jehovah isika, dia hitondra antsika ho amin’ izany tany izany Izy, ka homeny antsika, dia tany tondra-dronono sy tantely.

Numbers 16:14Ary koa, ianao tsy nitondra anay ho any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely tsinona, na nanome anay saha sy tanim-boaloboka ho fanananay; hopotsirinao va ny mason’ ireto lehilahy ireto? Tsy hiakatra izahay.

Deuteronomy 6:3Koa mihainoa, ry Isiraely, ka mitandrema hanaraka izany, mba hahita soa ianao, ary mba hitomboanareo indrindra, araka izay nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanao, taminao, dia any amin’ ny tany tondra-dronono sy tantely.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'ny Nomery 13:27

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'ny Nomery 13:26Bokin'ny Nomery 13Bokin'ny Nomery 13:28 →