Bokin'ny Nomery 13:29
Ny Amalekita no monina eo amin’ ny tany atsimo; ary ny Hetita sy ny Jebosita ary ny Amorita no monina any amin’ ny tany havoana; ary ny Kananita no monina eo amoron’ ny ranomasina sy eo amoron’ i Jordana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 13
Cross References
Genesis 14:7Dia niverina indray izy ireo ka nankany Ena-mispata (dia Kadesy izany) ka namely ny tany rehetra an’ ny Amalekita sy ny Amorita koa, izay nonina tany Hazazon-tamara.
Genesis 15:20ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaïta
Exodus 3:8dia efa nidina Aho izao hamonjy azy amin’ ny tanan’ ny Egyptiana ka hitondra azy hiakatra hiala amin’ izany tany izany ho any amin’ izay tany soa sy malalaka, dia any amin’ izay tany tondra-dronono sy tantely, any amin’ ny tanin’ ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita.
Exodus 17:8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ ny Isiraely tao Refidima.
Numbers 14:43fandrao ho resy eo anoloan’ ny fahavalonareo ianareo; fa ny Amalekita sy ny Kananita dia eo anoloanareo, ka ho lavon-tsabatra ianareo; satria niala tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah ianareo, dia tsy homba anareo Izy.
Numbers 24:20Ary nahita ny Amalekita izy, dia nanao oha-teny hoe: Voalohany tamin’ ny jentilisa Amaleka, fa ho lany ringana no hiafarany.