Bokin'ny Nomery 16:7
dia asio afo eo anatiny ka asio ditin-kazo manitra eo aminy eo anatrehan’ i Jehovah; ary ny lehilahy izay fidin’ i Jehovah, dia izy no ho masìna; fa aoka izay ianareo, ry taranak’ i Levy!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Izao no ataovy, ry Kora sy ianareo namany rehetra: Makà fitondran’ afo ho anareo rahampitso.
8Dia hoy koa Mosesy tamin’ i Kora: Henoy, ry taranak’ i Levy:
Read all of Bokin'ny Nomery 16
Cross References
Numbers 16:3koa niangona hiodina amin’ i Mosesy sy Arona ireo ka nanao taminy hoe: Aoka izay ianareo! fa masìna avokoa ny fiangonana rehetra, sady Jehovah no eo aminy; koa nahoana no dia manandra-tena ho ambonin’ ny fiangonan’ i Jehovah ianareo?
1 Kings 18:17Ary nony hitan’ i Ahaba Elia, dia hoy izy taminy: Hay! tonga etỳ ianao, ry ilay mampidi-doza amin’ ny Isiraely!
Matthew 21:23Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
2 Thessalonians 2:13Fa izahay tsy maintsy misaotra an’ Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, ry rahalahy malalan’ ny Tompo, satria Andriamanitra efa nifidy anareo hatramin’ ny voalohany hahazo famonjena amin’ ny fanamasinan’ ny Fanahy sy ny finoana ny marina,