Bokin'ny Eksodosy 13:21
Ary Jehovah nandeha teo alohany tamin’ ny andri-rahona raha antoandro hitari-dalana azy, ary tamin’ ny andri-afo nony alina ho fahazavana ho azy, handehanany andro aman’ alina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20Dia nifindra niala tao Sokota izy ka nitoby tao Etama teo an-tsisin’ ny efitra.
22Ny andri-rahona tsy niala teo alohan’ ny olona raha antoandro, na ny andri-afo nony alina.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 13
Cross References
Exodus 14:19Ary Ilay Anjelin’ Andriamanitra, Izay nandeha teo alohan’ ny tobin’ ny Isiraely, dia nifindra ka nankeo aoriany; ary ny andri-rahona nifindra niala teo alohany dia nijanona teo aoriany
Exodus 33:9Ary raha niditra tao amin’ ny lay Mosesy, dia nidina ny andri-rahona ka nijanona teo anoloan’ ny varavaran’ ny lay, ary Jehovah dia niresaka tamin’ i Mosesy.
Exodus 40:38Fa ny rahon’ i Jehovah dia teo ambonin’ ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ ny taranak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny nandehanany rehetra.
Numbers 9:16Dia toy izany mandrakariva izy: ny rahona nanarona azy, nefa niseho tahaka ny afo izy nony alina.
Numbers 14:14ary holazainy amin’ ny monina eo amin’ ity tany ity izany; ary efa reny fa Hianao Jehovah no eto amin’ ity firenena ity, ary Hianao Jehovah no hita mifanatrika, ary ny rahonao mijanona eo amboniny, ary Hianao no mitarika azy eo aloha amin’ ny andri-rahona nony andro, ary amin’ ny andri-afo nony alina.
Nehemiah 9:12Andri-rahona no nitondranao azy raha antoandro, ary andri-afo nony alina, mba hampahazava azy hahitany izay lalana tokony halehany.