Bokin'ny Nomery 27:3
Ny rainay dia maty tany an-efitra, kanefa tsy mba isan’ ny antokon’ i Kora izay niangona hiodina tamin’ i Jehovah tsy akory; fa matin’ ny fahotany ihany izy, nefa tsy nanan-janakalahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Nomery 27
Cross References
Numbers 14:35Izaho Jehovah efa nilaza fa hataoko tokoa izany amin’ izao fiangonana ratsy rehetra izao, izay miangona hiodina amiko; etỳ amin’ ity efitra ity no hahalany ritra azy, ary etỳ no hahafatesany.
Numbers 16:2ka nitsangana teo anatrehan’ i Mosesy izy ireo sy ny Zanak’ Isiraely dimam-polo amby roan-jato, izay samy lohan’ ny fiangonana avokoa, dia olona voafidin’ ny fiangonana sady nanan-daza;
Numbers 16:32eny, nisokatra ny tany ka nitelina azy sy ny ankohonany mbamin’ ny olona rehetra izay an’ i Kora ary ny fananany rehetra.
Numbers 26:9Ary ny zanak’ i Eliaba dia Nemoela sy Datana ary Abìrama. Ireo dia ilay Datana sy Abìrama, olom-boafidin’ ny fiangonana, izay nila ady tamin’ i Mosesy sy Arona, teo amin’ ny antokon’ i Kora, raha nila ady tamin’ i Jehovah izy,
Numbers 26:64Ary tamin’ ireo dia tsy nisy olona avy tamin’ izay efa voalamin’ i Mosesy sy Arona mpisorona tamin’ izy nandamina ny Zanak’ Isiraely tany an-efitr’ i Sinay.
Ezekiel 18:4Indro, Ahy ny fanahy rehetra: toy ny fanahin’ ny ray, dia toy izany koa ny fanahin’ ny zanany; samy Ahy ireny; ny fanahy izay manota no ho faty.